- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mozambique: Nahasambotra kamiao nitondra ankizy maromaro ny polisy

Sokajy: Mozambika, Tanora, Vaovao Mafana

Ity resaka ity dia tohin'ny lahatsoratra efa navoakan'ny namana Tomavana eo ambanimbany eo. Vaovao farany navoakan'ny tontolom-bolongana, Carlos Serra [1] [pt] no nitatitra fa nahatsikaritra kamiao (fiarabe re a!) nitondra ankizy miisa 40 anelanelan'ny 7 ka hatramin'ny 11 taona niainga avy any Nampula, Mozambique ny polisy ao Inchope. Azo inoana fa nangalarina ireo zaza ireo. “ Ny fahalemen'ny rafi-panjakana sy ny rafi-piaraha-monina no manamora ny fanondranana an-tsokosoko sy ielezany amin'izao fotoana izao. Fanapahan-kevitra maro no tsy maintsy ilaina (ho fisorohana ity hala-jaza) ity ka tafiditra amin'izany ny fanankotrihana (na fanavaozana no teny fantatrao kokoa) ny fitsipiky ny heloka bevava (izay efa tamin'ny taona 1876) sy ny fametrahana mazava ny fanondranana an-tsokosoko (halajaza) ho anisan'ny heloka bevava”.