- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fahasamihafan'i Senegaly sy i Shina

Sokajy: Senegal, Shina, Fampandrosoana, Fanatanjahantena, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hehy

Blog politique au Senegal no manolotra ny fomba fahitany ny fahasamihafan'i Senegaly sy i Shina [1] :

Il existe une différence fondamentale : la manière de concevoir les choses et de les jouer. Et cette différence, elle change tout !
Nous, on joue au ballon, on rêve de ballons, on en parle, on adule les professionnels, on mendie pour nous payer ce bouffe-temps ludique qui arrête le pays quand il y a un match.
Pendant ce temps, le chinois, lui, il rêve aussi de ballon, mais de celui qu'il va fabriquer et nous vendre cash !

“Misy fahasamihafana fototra : ny fomba fijery sy ny fiatrehana raharaha. Ary io dia manova zava-dehibe !
Isika [Senegaly] izao, milalao baolina kitra, manonofy baolina kitra, miresaka baolina kitra, indrahindraintsika ireo mpilalao matihanina, “mandohalika” mangataka mihitsy aza isika mba ahafahantsika manaraka io “fandaniam-potoana io” izay mampikatso ny firenena manontolo rehefa misy lalao fifandonana izay arahina.
Mandritra izany fotoana izany, ireo Shinoa koa mba manonofy baolina, saingy ny hanamboatra baolina sy ny hivarotra izany amintska tolo-botsitra no nofinofin'izy ireo !”