- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Roandà : Fahatongavan'ny orinasa mpikirakira vola avy any Dobay

Sokajy: Emirà Arabo Mitambatra, Rwanda, Toekarena sy Fandraharahàna

Fodé-Moussa Keita no mitatitra ao amin'ny Addax ny fikasan'ny orinasa mpikirakira vola avy any Dobay ny hampiasa vola mitetina 230 tapitrisa Dôlara [$] anivon'ny orinasan'ny fizahantany sy serasera any Roandà [1] :

Istithmar Real Estate est une entreprise qui vaut environ 6 milliards de dollars US et qui privilégie les investissements dans les secteurs industriels, de détails, les banques et l’immobilier. L’entreprise possède plusieurs gratte-ciels de New-York (dont le 230 Park Avenue et le 280 Park Avenue), des bâtiments prestigieux comme le “One Trafalgar Square” de Londres. Elle possède aussi une entreprise aérienne (la compagnie indienne Spice jet), et des commerces de détail comme Barneys de New-York.

Istithmar Real Estate dia orinasa azo tombanana ho any amin'ny 6 lavitrisa Dôlara any ho any ary mpivoy ny lafiny orinasa vaventy, ny varo-madinika, ny banky sy ny fanorenan-trano. Io orinasa io dia efa “tompontrano”-na trano mijoalajoala maro any New-York (isan'izany ny 230 Park Avenue sy ny 280 Park Avenue), trano manan-daza toy ny “One Trafalgar Square” any London. Manana orinasam-pitanterana an'habakabaka koa izy(Spice jet any Indy), sy trano fivarotana enta-madinika toy ny Barneys any New-York.”