- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Ny finoan'i Obama

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Tonizia, Fifidianana, Fivavahana

“Tokony hanahy ve aho amin'ny fanaovana ny Islam ho toy ny zavatra mampandositra ny olona? Tsy maintsy hieritreritra ve aho fa mety hahatonga ny olona ho azo fidîna na tsia ny fivavahana arahina olona iray?” hoy ny nosoratan'i [1] Subzero Blue avy any Tonizia, rehefa avy namaky ny voasoratry ny  senatera Barack Obama namaly bontana (valim-panafihana) ny heverina fa lainga ataony momba ny finoana arahiny sy ny lalana politika nodiaviny.