- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

UK: mahamenatra

Sokajy: Angletera, Armenia, Tiorkia, Fifindràmonina, Foko sy Fiaviana, Politika, Tantara

Blogrel no manome ny heviny mikasika ilay fanimbazimbana nisy nanao omaly tany an-tanànan'i Cardiff tamin'ny mariky ny hazofijaliana najoro ho fahatsiarovana ireo Armeniana naripaka tamin'ny fotoan'androny [1]. Nolazain'ny mpamaham-bolongana ary fa mahamenatra sady manamarika ny tsy fahatantesana ny fisian'ny Andro Fahatsiarovana ny Fandripahana nanjo ny Armeniana ary manantena izy mba tsy ho ny Tiorka no tafiditra lalina amin'ity raharaha ity.