- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: fitohanan'ny fiaran-dalam-by

Sokajy: Tsidika, Voina

Noho ny firotsahan'ny ranomandry be loatra any Hunan dia voatohintohina aok'izany ny fifamoivoizan'ny fiaran-dalam-by. Azo jerena ao amin'ny  56.com [1] (zh) ny toe-draharaha ao Guangzhou. Nahazo ny lahatsoratra avy amina mpanao gazety manan-daza iray ny Inmediahk.net, izay nampivoitra fa efa niainana nandritra ny 20 taona farany ity  olan'ny fifamoivoizana [2] eo ampiandrasana ny fetin'ny lohataona (fitsimohan'ny zavamananaina) ity. Nanampy trotraka ny olana efa nihatra no nataon'ity “loza” voajanahary ity.