- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Honduras: Iharana sy vavolombelona famonoana olona

Sokajy: Amerika Latina, Honduras, Lalàna

Mbola lohahevitra mafotaka any Honduras amin'izao fotoana izao ny resaka famonoana olona (na heloka bevava), vao nisy mpamaham-bolongana roa indray manko no tratran'ny fanafihana ary nahita maso ihany koa ny fandrobana nampihoro-koditra. Aaron Ortiz ao amin'ny Pensieve [es] ohatra dia voaroba tany amin'ny faritra heverina ho voaro indrindra amin'ny resaka fandriampahalemana sady lalana fizorany isan'andro ny valiziny sy ny solosaina findainy [1] raha hody izy. Fabo Balsech ao amin'ny Diario de un Joven en Medio de la Nada [es] indray dia voasariky ny fahitana lehilahy maromaro miaraka amin'ny fitaovam-piadiana nandroba vehivavy mbola tao anaty fiara teo anoloan'ny Oniversite tany an-toerana indrindra [2].