- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pôrtigalasfera : Ny avotrain'ireo zaza

Sokajy: Amerika Latina, Angola, Brezila, Cap Vert, Ginea-Bisao, Mozambika, Sao Tome sy Principe, Timor Atsinanana, Fampandrosoana, Tanora

Vao tsy ela no napariaka ny taham-pahafatesan'ireo zaza latsaky ny 5 taona ny UNICEF. Isan'ireo tsoakevitra napoitran'izany tatitra izany ny hoe i Angôla, i Guinea Bissau, i Môzambika, Saô-Tôme sy Principe, Timôr Atsinanana sy Cap Vert dia samy manana taham-pahafatesan'ny ankizy izay manoatry izay heverina ho tokony ho izy, i Brezila heverina ho manana ny taha antonotonony, ary Pôrtigala irery no hany azo heverina ho mizotra miaraka amin'ny taha tandrify ireo “firenena mandroso” [amin'ireo firenena izay miteny Pôrtigey]. Vakio [amin'ny teny Pt] any amin'ny Timor Lososae Nação ny tatitra [1].

[FANAMPIM-PANAZAVANA : Blaogasyfera no enti-milaza ny fiaraha-monin'ireo blaogy rehetra miteny Malagasy sy mikasika an'i Madagasikara na akaiky na lavitra. Ny Pôrtigalasfera [Lusosphere] dia fiaraha-monin'ireo miteny Pôrtigey, Lusitanie no anarana hafan'i Pôrtigala]