- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: Nampihatra ny jadona i USA

Sokajy: Amerika Avaratra, Amerika Latina, Brezila, Etazonia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Tantara

Nanomboka namoaka andian-dahatsoratra mikendry ny handika ho amin'ny teny paortiogey ny antontan-taratasy ofisialy (an'ny fanjakana) miresaka ny nanohanan'i Etazonia ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 1964  nitranga tany Brezila Luiz Carlos Azenha [1] [pt], Amin'izao fotoana izao moa dia hita ao amin'ny tahirin-kevitry ny Sekoly Ambony momba ny fiarovam-pirenena George Washington no misy ireo antonta-taratasy ireo. Ao amin'ny lahatsorany faharoa no amoahany ny “ hafatra avy amin'ny masoivoho tany Brezila tamin'izany fotoana izany, ho an'ny lehibeny any Washington”.