- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: feno 24 taona ny hetsiky ny mpiasa tsy manan-tany

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Sendikà

Mankalaza ny faha-24 taona nijoroany ny 24 janoary ny vondron'ny mpiasa Breziliana tsy manan-tany (iasana). Namoaka sary fotsy sy mainty mahafinaritra i João Valente Aguiar [1] [pt] ary manazava azy ho fihetsiketsehan'ny vondron'olona miady ho amina endrika fiaraha-monina hafa. Hetsika izay tratran'ny fampisamborana, fampijaliana, ary hatramin'ny famonoana ho faty matetika aza noho ny fikirizana sy ny sarangam-piarahamonina misy ireo mpiasa ireo.”