Maraoka: Vaovao farany mikasika ny sivana

Taona nisavoritaka ho an’ny fahalalahana anivon’ny aterineto maraokana ny 2006, noho ny fisian’ny vohikala voatohana tsy hipoitra. Mbola tsy tsara noho izany koa ny taona 2007 raha zara fa navela notopaza-maso tsindraindray indray ny vohikala azo nojerena mandava-taona teo aloha.

Moi, dans tous mes états (fr) no namintina  tamin’ny lahatsorany vao haingana ny fahalalahan’ny aterineto (sy ny fomba filazam-baovao hafa ihany koa):

A l’heure des podcasts et autres émissions sur le réseau internet, la régulation est un leurre.

« Et nous sommes arrivés à la même conclusion : la bataille de la régulation sur Internet est perdue d'avance » dixit Ahmed Ghazali. Le choix de plus en plus multiples d’émissions et de chaînes impose aux opérateurs marocains plus d’audace dans la concrétisation de ce projet.

Amin’izao vanim-potoanan’ny podcasts (rakipeo azo henoina amin’ny aterineto) sy ny fandaharana hafa amin’ny aterineto izao, dia fandrika mivelatra (longoa mitoto-bozaka ho an’izay mahay teny malagasy tsara) ihany ny lalàm-pandaminana.“Efa tonga teo amin’ny fehin-kevitra niraisana isika: tsy hahovoka mihitsy ny fametraham-pandaminana amin’ny aterineto,” hoy Ahmed Ghazali. Manery ny mpamokatra Maraokana hanam-pahasahiana kokoa amin’ny fanatontosana io tetikasa io ny fahafaha-misafidy fandaharana sy orinasam-pampielezana sary sy/na feo maro dia maro.”

(manamarika ny mpandika ho amin'ny teny malagasy fa raha naka ny rohy voalohany aho dia tratran'ny sakana ihany koa, manandrama anie ianareo e!) Mametraka adi-hevitra ihany koa ny fanasivanana ny mpanohitra any Sahara andrefana tsy hiteny, noho ny fisian’ny bolongana maro avy any voasakana tsy ho hita any amin’ny faritra hafa any maraoka. Freedom Writer izao no nanatsonga ny lahatsoratry ny MAP (Maghreb Arab Presse fa tsy Madagasikara Am-Perinasa eto) nivoaka vao haingana, raha naneho ny heviny mikasika ny lahatsoratry ny Human Rights Watch ( Mpanaramaso ny fandalàna ny zon’olombelona) raha nitodika tamin’ny fahafaha-maneho hevitra any Sahara Andrefana i asvdh.

Nefa ny lahatsoratra ao amin’ny AFP dia milaza fa manam-pahalalahana kokoa ny mpamaham-bolongana Maraokana raha oharina amin’ny firenena Arab sy Miozolmana hafa, saingy ny tsy fahafahana mijery ny Livejournal no manaporofo fa mbola lavitra ny lalana ho aleha. Raha inoana indray ny lazain’i MoTIC, izay mametraka mari-pamantarana eo an-tampon’ny vohikalany, dia voasakana tsy azo jerena avokoa na ny Google Maps na ny Google Earth. Ny soratry Matthew Helmke indray manamarika ny sakana mahazo ny vohikala hafa tahaka ny OpenDNS, anonymizer.com, multiproxy.org, “ary indraindray dia mahazo ny You Tube ihany koa.”

Nadikan’i Lydia Beyoud

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.