- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila : Hanisa ny tratran’ny vono-olona

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Hafanàm-po nomerika

Noarahabain’i PE Body Count [1] [pt] ny vaovao henony fa misy vohikala vaovao ihany koa hanisa sy hametraka ny isan’ny famonoana olona ao amin’ny faritry Alagoas. “Raha te-hiady amin’ity heloka bevava ity dia tsy maintsy resy lahatra fa tena misy tokoa ilay zavatra. Ny ataonay dia ny hanisa ny famonoan’olona ary hanome ny isa ho hitan’ny rehetra. Samy hanao izany izahay sy ny Alagoas 24 horas [2]” [pt]. PE Body County izao dia efa nahamarika ny isan’ny vono-olona ho 279 any Pernambuco hatramin’ny fanombohan’ny taona 2008 fotsiny.