- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Trinite sy Tôbagô : “Taranaka” nangalarina ?

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Tanora

Jumbie's Watch no mitatitra momba herisetra nitranga tany am-pianarana [1] tany Trinite sy Tôbagô :

Today I saw an article about a boy, a schoolboy in school, beating a fellow student and her pregnant mother ! […] How and when did society ‘tief’ our children, and their innocence? And how did we let them get away with it, without even a murmur of protest?

“Novakiako androany, lahatsoratra mitantara ankizilahy, mpianatra tany am-pianarana, izay nikapoka mpiara-mianatra taminy sy ny reniny izay bevohoka ! […] Amin'ny fomba ahoana ary oviana indray no ‘nangalaran'ny’ fiaraha-monina ireo zanatsika, sy ny fahazazany ? Ary ahoana koa no amelantsika izany halatra izany tsy misy na dia fanoherana na dia izay farany kely indrindra akory aza ?”