Mythical Dude mpiblaogy mipetraka any Phnom Penh no manapariaka tahala-tsary HDR/GGD mampiseho ny fiainana andavan'andro izay nangoniny, ao amin'ny pejiny ao amin'ny vohikala Flickr.
[FANAMPIM-PANAZAVANA : ny HDR na GGD (High Dynamic Range photography | Imagerie à Grande Gamme Dynamique) dia fitambarana teknika ampiharina amin'ny sary amin'ny alalan'ny solosaina izay ahafahana manome sanda bebe kokoa ireo “pixel” tsirairay. Endrika vaovao no vokatr'izany sary izany. Tsahivina fa ny sary dia fitambarana “pixel” | Lahatsoratra hafa misy rohy sary sahala : Japàna amin'ny endrika vaovao >>]
4 hevitra
tsara rangahy ilay tahala-tsary ka… mbola sarotra ihany koa ny handika azy amin’ny teny malagasy koa!
Kay! hay tonga dia niova koa ny tany anaty lahatsoratra!!! haingana be izy izany. Mbola mitady voambolana amin’io isika fa sarotra koa ny mieritreritra ilay izy an! nefa ilay zavatra tena mahaliana dia mahaliana tokoa. Tahaka ny velona izany mihitsy ilay sary.
Raha tsy nampina ilay fanazavana dia izaho aloha tsy nahazo any ilay HDR mihitsy.