- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta : Menatra ny mahaejipsiana

Sokajy: Ejipta, Palestina, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena

“Menatra amin’ny mahaejipsiana ahy aho amin’izao fotoana izao, menatra amin’ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny Ejipta sy Isiraely, menatra satria heveriko fa isaky ny misy olona maty any Gaza, dia nandray anjara tamin’ny famonoana azy io ny tanana Ejipsiana,” izany no venti-kevitry [1] ny mpamaham-bolongana Ejipsiana Eman.