- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mozambika : Raharaha fanapahana ala tsy ara-dalàna hafa

Sokajy: Mozambika, Tontolo_iainana

Carlos Serra no mitatitra ity raharaha nahasaronana fanapahana ala tsy ara-dalàna izay nokasaina haondrana ivelan'i Mozambika ity [1]. Tamin'ity indray mitoraka ity dia fiara vaventy fito nitondra hazo folo taonina isany no saron'ny Polisy Mozambikana tany amin'ny faritry Meconta. Ny fanapahana ala tsy ara-dalàna amin'ity firenena ity dia resaka tsy ankijanona eto amin'ity blaogy ity, hoy I Carlos, izay mampahatsiahy ny mpamaky :

E leia ou recorde as três cartas que, a propósito, escrevi ao presidente da República, Armando Guebuza, aqui [2], aqui [3] e aqui [4].

“vakio na tsarovy ireo taratasy telo, izay sady nalefako tany amin'ny filoham-pirenena Armando Guebuza, ato [2], ato [3] ary ato [4]” [amin'ny teny Pôrtogey ireo rohy]