24 Janoary 2008

Tantara tamin'ny 24 Janoary 2008

Kambôdza : Fiainana andavan'andro an-tsary HDR any Phnom Penh

  24 Janoary 2008

Mythical Dude mpiblaogy mipetraka any Phnom Penh no manapariaka tahala-tsary HDR/GGD mampiseho ny fiainana andavan'andro izay nangoniny, ao amin'ny pejiny ao amin'ny vohikala Flickr. [FANAMPIM-PANAZAVANA : ny HDR na GGD (High Dynamic Range photography | Imagerie à Grande Gamme Dynamique) dia fitambarana teknika ampiharina amin'ny sary amin'ny alalan'ny solosaina izay ahafahana manome sanda...

Kambôdza: Fanevam-pirenena napetaka amin'ny kapa

  24 Janoary 2008

Tezitra amin'ny Vietanmiana mivarotra kapa misy ny sarin'ny tempolin'ny Angkor mipetaka eo amboniny ny Kambôdziana. Ahitana ny sarin'ny tempolin'i Angkor avokoa manko na ny vola na ny sainam-pirenena Kambôdziana.

Mozambika : Raharaha fanapahana ala tsy ara-dalàna hafa

  24 Janoary 2008

Carlos Serra no mitatitra ity raharaha nahasaronana fanapahana ala tsy ara-dalàna izay nokasaina haondrana ivelan'i Mozambika ity. Tamin'ity indray mitoraka ity dia fiara vaventy fito nitondra hazo folo taonina isany no saron'ny Polisy Mozambikana tany amin'ny faritry Meconta. Ny fanapahana ala tsy ara-dalàna amin'ity firenena ity dia resaka tsy ankijanona...

Brezila : Ny filazam-baovao no nampikorakapa ny resaka tazovony

  24 Janoary 2008

Nabaribarin’i Luiz Carlos Azenha [pt] ilay filazam-baovao nampikorapaka ny rehetra milaza ny tokony hanaovana ny vakisiny itambaram-be hiarovana amin’ny tazovony no mailaka amin’ny fanakianana ny governemanta ankehitriny. “jereo ny fomba ankolaka ataon’ny [gazety] Estadão, fa tsy misy mihitsy ny filazana ny andraikitry ny filazambaovao tamin’ny fampikoropahana ny olona tahaka ity...

Ejipta : Menatra ny mahaejipsiana

  24 Janoary 2008

“Menatra amin’ny mahaejipsiana ahy aho amin’izao fotoana izao, menatra amin’ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny Ejipta sy Isiraely, menatra satria heveriko fa isaky ny misy olona maty any Gaza, dia nandray anjara tamin’ny famonoana azy io ny tanana Ejipsiana,” izany no venti-kevitry ny mpamaham-bolongana Ejipsiana Eman.

Manao antso avo ny nahazo ny loka Nobel momba ny tontolo iainana

  24 Janoary 2008

Hita ao amin’ny Pambazuka: fa manao antso avo hanoherana ny famoizana aina sy fananana any Kenya ny Prof. Wangari Maathai, izay efa nahazo ny loka nobel momba ny tontolo iainana. “ Efa nolazainy kosa fa efa nisy tantarany ny fisamatsamahana, nandamoka tamin’ny fifampiraharahana tamin’ny mpamporisika sy ny mpanakorontana. Nolazain’ny Prof...

Bahrain: Mpifanolo-bodirindrina hoe?

  24 Janoary 2008

Cookie, avy any Bahrain, no milazalaza ny momba ny manodidina na mpifanolo-bodirindrina ao amin’ny lahatsorany. “Mijanona eny amin’izay tiany hanajanonany ny fiara tahaka ny hoe tompon’ny arabe ny olona. Ny vehivavy kosa miady matetika isa-tapa-bolana na latsak’izany any IVELAN’NY tokantranony!” hoy izay nosoratany.

Oganda : Blaogy hoan'ny haitaotrano

  24 Janoary 2008

Citizen Uganda no mitatitra momba ny blaogy mifantoka amin'ny haitaotrano : If you have never been to Kampala let me spare you the suspense; it is a poorly planned city and there is little to see in the way of architecture. The good news though is that there is a...

Nizeria : “Super Eagles”: Inona no tsy nety ?

  24 Janoary 2008

Mbola blaogin'ireo Nizeriana mpankafy kitra [Nigerian Football Fans Forum blog] ihany no ahafahana manaraka adihevitra taorian'ny faharesen'ny Nizeriana “Super Eagles” tamin'ny fifanandrinana tamin'ny Côte d'Ivoire Kamerona : Someone said this on the forum. 1.Based on the Eagles performance in this match, I honestly do not see a difference between the...