- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amerika sy Shina : Martin Luther King sy Shina

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Shina, Fifandraisana iraisam-pirenena, Politika, Tantara

Jeremiah Jenne dia mampahatsiahy ao amin'ny Granite Studio ireo teny nambaran'i Martin Luther King mikasika ny ady tany Vietnama sy Shina [1], izay heveriny fa fijery mbola mitombona mandrak'androany :

They must see Americans as strange liberators. The Vietnamese people proclaimed their own independence in 1945 after a combined French and Japanese occupation, and before the Communist revolution in China. They were led by Ho Chi Minh. Even though they quoted the American Declaration of Independence in their own document of freedom, we refused to recognize them. Instead, we decided to support France in its reconquest of her former colony.
Our government felt then that the Vietnamese people were not “ready” for independence

“Tsy maintsy toy ny mpanafaka hafahafa ihany ny fijeriny (Vietnamiana) ny Amerikana. Taorian'ny fanjanahana izay nifangoronan'ny Frantsay sy ny Japoney dia nanambara ny fahaleovantenany tamin'ny taona 1945 ny vahoaka Vietnamiana, ary mbola talohan'ny Revolisiona Kôminista tany Shina (akory aza). Notarihin'i Hô Chi Minh izany. Ary dia nolavintsika izany fanambaran-pahafan-dry zareo izany na dia nitonona ny Fanambram-pahaleovantena Amerikana. Vao mainka aza ny hanampy ny Frantsay amin'ny “ady famerenany” ny zanataniny taloha no nataontsika.
Tamin'izany fotoana izany dia noheverin'ny governemanta (Amerikana) ho tsy mbola “matotra” ny hiroso amin'ny fahaleovantena ny vahoaka Vietnamiana”