- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taiwan sy Shina : Gadra an-tanàna afaka

Sokajy: Shina, Taiwan (ROC), Politika

Velabelarin’i Hsiang-Tai ny fiainan’ny gadra roa Hu Jia sy Zheng Jinyan izay eo ambany fitantanan’ny polisy miandraikitra ny filaminam-pirenena (tsy mitovy amin’ny teny hoe mitandro ny filaminana tsotra izany). Asongadin’ny mpamaham-bolongana Taiwaney ary fa: Raha tian’i Shina tokoa ny hiverenan’i Taiwan ho ao aminy, aza fady, tompoko, miovà aloha ianareo! Fa raha tsy izany kosa, miala tsiny, tompoko, fa tsy hanaiky ho anisan’i Shina velively i Taiwan. [1]