- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: Mampifidy an'i Gabeira ho Ben'ny tanàna'i Rio de Janeiro

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika

Tian'i Pedro Dória [1] [pt] hirotsaka ho Ben'ny tanàna'i Rio de Janeiro ny depiote Fernando Gabeira [2] [pt] ary mandresy lahatra ny tontolon'ny mpiblaogy (tontolom-bolongana na blogosphere) sy ny mpamaky rehetra izy hivondrona hampisongadina ny anarany. “Efa tonga ny fotoana hanaovana fampielezan-kevitra amin'ny aterineto amin'izay. Mety ho tratra ny tanjona rehefa maromaro isika no milofo ho amin'izany. Andao isika hamoaka ny lohahevitra, hiady hevitra eo. Tsy maintsy hisy ny mpandrindra (hanindry ny bokotra) hananga-tsaina (araka ny fahazoan'ny mpandika teny malagasy azy dia toy ireny mpitsara anjorony mpanangatsaina rehefa mahita fahadisoana amin'ny lalao baolina kitra ireny hanao izay hamafana ny lahatsoratra na ny adi-hevitra). Dia afa-manoratra aminy avokoa ny rehetra [3]”.