- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: Ny fiantraikan'ny asan'ny misionera amin'ny kolontsaina indizeny

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Teratany

George Felipe de Lima Dantas no nanoratra tao amin'ny Brazzil Magazine fa tokony horoahina ny misionera mpitondra fivavahana [1] mba hitandroana ny kolontsaina indizeny any Brezila. Notsipahin'i Andrew Comings, misionera iray efa any Brezila izany ka nanoratra ny valinkafany izy [2] ao amin'ny Comings Communiqué.