- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara : Nahaton'ny fanjakana ny fandaharana fanta-daza “Karajia”

Sokajy: Madagasikara, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana

Ny namana Jentilisa [1] monina any Antananarivo, no nitatitra ny “fanafoanana” [suspension hoy ny fandaharana hafa] izay noraisin'ny fanjakana hihàtra amin'ny fandaharana fanta-daza “Karajia” izay mpandeha maraina ao amin'ny radio Katôlika Radio Don Bosco [2] [afaka miantso sy milaza mivantana izay heviny ny mpihaino]. Notaterin'ny fandaharana “kidaona maraina [3]” izay fatra-pihaino sady mpandeha ao amin'ny onjam-peo mpifaninana Radio Television Analamanga [4] (RTA) koa izany zava-miseho izany. Manolotra ny fanazavany sy ny fijeriny i Jentilisa :

[… fitaovana] tadiavina entina hanaikana ny olona hilahatra no antony. Olona mpihaino iray moa no nanao izay fitenenana izay ary efa novalian'ny mpanentana io saingy iny no fanararaotran'ny mpitondra hanakatonana azy. Miasà mafy ny Mpamaham-bolongana rehetra fa mandady ny trambo. Mety ho anjarantsika ihany koa ny manaraka, ary mety hisy ny fanakanana ny aterineto raha mitohy izao.