- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fiainan'ireo mpanankarena any Afrika Atsimo

Sokajy: Afrika Atsimo, Tsidika

Beneburundi no mitatitra izay fiainan'ireo mpanankarena any Afrika Atsimo [1] :

L’Afrique du Sud est très différente de ce que j’avais pu m’imaginer. C’est comme les Etats-Unis en Afrique : des villes immenses, des quartiers ultra sécurisés, de larges voies express où roulent les dernières Mercedes et autres voitures « je-me-la-pète », des zones commerciales qui n’en finissent plus et qui sont même aménagées en petites villes, des panneaux publicitaires gigantesques, des fast-foods, des fast-foods et des fast-foods. Bref, une société de surconsommation où les gens qui ont les moyens (ou les empruntent) se gavent jusqu’à déborder de fric et de graisse.

“Tena samihafa amin'izay mety ho noheveriko i Afrika Atsimo. Satria ohatry ny Amerika aty Afrika mihitsy : ireo tanàna vaventy dia vaventy, ireo kartie (mpanakarena) tsara ambina, ireo arabe midadasika sady ahitana izay fiara Mercedes raitra vao nivoaka farany indrindra sy fiara « izany izahay raha manam-bola » hafa, ireo faritra ahitana mpivarotra toy ny tsy hisy fiafarany mihitsy ary indraindray aza dia alahatra ho toy ny tanàna kely mihitsy izy ireny, ireo toerana fametrahana dokam-barotra mijoalajoala, ireo « fast food » [hotely fisakafoanana hoan'ny maika], miampy « fast food » dia mbola ampian'ny « fast food » ihany koa. Raha aravona dia fiaraha-monina mifahatra amin'ny fandaniana mihoa-papana ahitana ireo izay manan-katao (na mitrosa) izay « misesika » vola sy tavy, mandra-pihoatr'izany.”