- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Angôla : Saranga mifangarika

Sokajy: Angola, Fampandrosoana

Tsikerain'i Orlando Castro ny fifangarihan'ny saranga izay ahariharin'ny fanorenana tranobe mijoalajoala izay hisy rihana miisa 70 any Luanda [1], izany no (kasaina) ho trano mijoalajoala indrindra any Angôla izay ahitana, trano onenana amin'ny vidiny midangana, hôtely, birao isan-karazany ary fivarotana :

E é assim que se vai fazendo a história de uma parte do meu país. A outra é feita com os milhões de angolanos reais que continuam a ser gerados com fome, a nascer com fome e a morrer com fome.

“Dia toy izany ary no fomba anoratana ny tantaran'ny ampahany amin'ny fireneko. Ny ankilany hafa kosa dia soratan'ireo Angôlana aman-tapitrisany izay notorotoroina tanivon'ny hanoanana, teraka tamin'ny hanoanana, ary mbola ho fatin'ny hanoanana koa.”