- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Emirà Arabo mitambatra: Mikatona noho ny fitsidihan'i Bush i Dubai

Sokajy: Amerika Avaratra, Emirà Arabo Mitambatra, Etazonia, Fifandraisana iraisam-pirenena

Seabee avy ao Dubai, Emirà Arabo Mitambatra, no tezitra [1] amin'ny nanakatonana ny Emirà mandritra ny tontolo andro itsidihan'ny filoha Amerikana George W Bush any. Ny tena nahatezitra azy dia faritry ny tsenambarotra maro (izany hoe mikatona ho azy ny tsena) no tena iharan'ity fanakatonana ity.