- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: tetikasa vaovaon'ny olom-pirenena mampahalala vaovao any Chili

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Shily, Media sy Fanoratan-gazety

Hita tao amin'i Alberto Marques [1] [pt] miresaka momba ny tetikasa an'olom-pirenena mampahalala vaovao natsangana any Chili, Ny firenena Amerikana Latina mazoto indrindra mandray an-tanana zavatra sahala amin'itony ka ity vao natsangana ity antsoina hoe El Naveghable [2] [es] dia efa manana mpiara-miasa mihoatra ny 300 sahady ary mbola hitombo isa hatrany. “Nefa eto Brezila, vitsy na tsy misy mihitsy no mety hanagasanga any”, hoy ny alahelon'ilay mpamaham-bolongana