- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia, Etazonia: Izay nofidian'i Kremlin raha afa-nifidy izy

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Rosia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Politika

Nino [1] i Russia Blog  fa raha azon'i Kremlin natao ny nandrotsa-bato amin'ity fifidianana hotontosaina any Etazonia amin'ity taona 2008 ity dia ny Senatera Chuck Hagel (Repoblikana-Nebraska) no tiany ho filoha mitondra manaraka eo: “Indrisy anefa, fa tsy nirotsaka hofidiana i Hagel na dia heveriny ho manambintana ho voafidin'ny olona ho amin'izany raharaha izany koa aza.”