- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tantara Sovietika : Fartsovhchiki

Sokajy: Belarosia, Estonia, Letonia, Litoania, Moldavia, Okraina, Rosia, Media sy Fanoratan-gazety, Tantara, Toekarena sy Fandraharahàna

Window on Eurasia indray no mamintina [1] ny boky vaovao momba ny Sovietika fartsovshchiki: “ Niroborobo tokoa ny ‘fartsovka’ nandritra ny taompolo 1970 sy 1980 ka heverin’i Vasil’yev fa misy tarika enina samihafa miditra amin’ny sehatry ny fitadiavan’entana – fiasana amin’ny hotely fandraisambahiny, tantsambo any amin’ny sambo Sovietika, fiarabe mandeha lavitra, fandraisana anjara anatina ekipa, mpitarika mpizahatany, ary misy koa ireo mivarotra “ivelan’ny hotely” sy ireo mivarotra ny entana amin’ny hafa. Mitantara hatramin’ny antsipiriany madinika indrindra ny tsirairay amin’ireo tarika ireo i Vasil’yev, ary manampy be dia be amin’ny famintinana ireo tsikaritra isa-tarika hitan’i Vasil’yev ny lahatsoratra napetrany amin’ny aterineto.”