- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Ny olo-masina Ahmadinejad

Sokajy: Iràna, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana

Kamangir no mitantara fa [1], araka ny vaovao nampitain’ny vohikala vaovao iray any Iran, Aftab [2] fa, “andro vitsivitsy lasa izay dia nilahatra tao amin’ny Lapan’ny Parlemanta ny mpikambana ao mba hiarahaba ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad. Ny sasany amin’ireo mpikambana parlemantera izay tsy mbola nahita azy hatramin’ny niverenany tamin’ny [Hajii pilgrimage [3]] Fivahiniana Masina moa te-hikasika ny akanjony [izay heverin’izy ireo fa voahasina].Ny mpikambana iray aza moa dia nisotro ny ambin-drano tanaty vera efa nisotroan’i Ahmadinejad. Ary dia nofendrahany iny ny akanjony avy eo.”