- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Britney Spears sy ny finoana Islamo

Sokajy: Ejipta, Fivavahana, Mozika

Hanaraka ny finoana Islamo hoe ilay mpihira fanta-daza (heverina ho misy olana momba ny tenany) Britney Spears? Ilay Ejipsiana Sandmonkey no manazava momba izany ato [1]. Voasoratra ao moa fa misy silamo miara-mivoaka aminy efa roa herinandro izay ka noho ny fitiavany io rangahy io dia te-hanambady azy io izy ary hanaraka ny finoana Islamo miaraka amin'izay.