- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japàna : Fikendrena ireo Tanora

Sokajy: Japana, Tanora

I David Marx dia nanoratra lahatsoratra mahaliana mikasika ny Kolotsain'ny Tanora Japoney [1] ao amin'ny Neojaponisme :

The cover story in the February issue of Takarajima is titled “Youth are Becoming Idiots.” The small print above the title states, You see, our idiot Japanese children — spoiled by the less rigid “yutori” education established in the early 1990s as a way to bolster individualism and creative thought — are ruining Japan. Tough to be a kid in Japan these days: you are not only stupid, you’re a traitor.

“Ny matoandahatsoratra izay velabelarin'ny gazety Takarajima hivoaka amin'ny volana Febroary dia mitondra ny lohateny hoe “Miha-vendrana ireo tanora.” Ny teny fohy eo ambonin'izany dia mampiditra toy izao, Tsikaritrareo fa ireo vendrana zanatsika Japoney – ampihataina amin'ny fihenan-danjan'ny “yutori” fanabeazana izay nanombotomboka tamin'ny voalohamboalohan'ireo taona 1990 ary natao indrindra mba hanohanana ny fahaleovantenan'ny tsirairay sy ny herim-pamoronana – dia mampahantra an'i Japàna. Sarotra ankehitriny ny atao hoe Tanora aty Japàna : tsy vitan'ny hoe vendrana fotsiny ny tena, fa mbola mpamadika (ny firenena) koa.”