Egypta : Boky avy amin'ny Blaogy

Fantsona tsotra fampahalalam-baovao ny blaogy, ary izay atolony dia mety ho (zavatra samihafa toy ny) vaovao, tatitra, famoaboasana raharaha pôlitika, na sary. Misy koa ireo mpiblaogy izay mizara ny fandinihany, tantara fohy, ary poezia ao amin'ny blaoginy. Any Egypta ankehitriny, amin'izao ankatoky ny hisokafan'ny “Fampiratiana natokana hoan'ny boky” any Le Caire izao [Cairo Book Fair | Salon du Livre à Le Caire], dia marobe ireo mpanonta boky izay mamadika ireo blaogy ho boky.

Dina El Hawary – Dido's Life – dia nanapak'hevitra ny hanoratra mikasika ity tranga vaovao ity :

وظهر في العقد الأول من الألفية الثانية حركة أدبية حديثة – لم يعرفها الناس من قبل – عرفت باسم التدوين، واتخذت الحركة أشكالاً متنوعة من الكتابة على مواقع التدوين المختلفة المتاحة على الشبكة العنكبوتية
وتطورت الحركة الأدبية سريعاً بمساعدة جيل المدونين الأول حتى توجت في عام 2008
باقبال كبرى دور النشر في مصر على تحويل المدونات الإلكترونية إلى أعمال أدبية في شكل كتب منشورة
وبدأت حركة النشر بكتاب أرز باللبن لشخصين للكاتبة رحاب بسام – و كتاب أما هذه فرقصتي أنا للكاتبة غادة محمد

“Nandritra ny folo-taonany voalohany tamin'ny taonarivo faha-telo [third millennium | troisième millenaire] no nipoiran'ny hetsika ara-kolotsaina vaovao – hetsika izay tsy mbola nisy nahafantatra teo aloha mihitsy – izay iaraha-mahalala ankehitriny amin'ny anarana hoe fanaovana blaogy. Ny fomba fanoratana ao antin'ity hetsika ity dia naka endrika samihafa anivon'ireo blaogy marobe izay azo tsidihina amin'ny Aterineto.
Niaraka tamin'ireo mpiblaogy andiany voalohany, dia nalaky fivoatra io hetsika io ambara pahatongan'ny taona 2008 izay nanombohan'ity trano printy goavana iray hanaprinty blaogy ho lasa boky.
Ireo boky mitondra ny lohateny “Vary amin-dronono” [Rice With Milk], an'i Rehab Bassam [Ar], sy “Toy izao no tantarako” [This is My Story], an'i Ghada Muhammad no natontany printy voalohany.”

*****

Naoty:
1. Tsy ity no voalohany nanaovana printy boky izay votoatina blaogy. Ilay boky “Ny mpaminany Afrikana” [El Naby El Afriqy] – blaogin'i Mina Guerges dia efa navadika ho boky aman-taonany maro izao.
2. Ny Vary amin-dronono, karazana sosoam-bary miharo ronono, na Rozz Belabban, dia tsindrin-tsakafo Egyptiana [dessert].

4 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> jentilisa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.