- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia : Yakov Slashchov

Sokajy: Rosia, Ady & Fifandirana, Haisoratra, Tantara

De Rebus Antiquis Et Novis indray no manoratra [1] mikasika ilay jeneralin’ny Tafika Fotsy Yakov Slashchov: “Avy amin’ny tantarany no nanoratana ny tantaran’ny jeneraly Khludov noforonon’i M.Bulgakov [2] mitondra ny lohateny hoe Flight [sidina](Beg amin’ny teny Rosiana) — Jeneraly nahery fo saingy kivy ka tsy nahalala afa-tsy vahaolana tokana hampiverina ny fifampifehezana, dia ny fanamelohana ho faty. Io rahateo no anaram-bositra mampalaza an’i Slashchov. Olona anjatony no nodidiany hovonoina ho faty. Nefa ny ankamaroan’ny olona tratran’izany didy izay dia tsy ny bolshevika na ny mpitsikilony sy mpandravarava, fa ireo manamboninahitry ny Tafika Fotsy voampanga ho nangalatra, nandroba, nitsoaka an-daharana na nitsoaka ady.”