- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila : Ny fantsom-baovao no nampihemotra ny famotsoran’ny farc ny takalon’aina

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Media sy Fanoratan-gazety

Leonardo Sakamoto [1] [pt] no nitsikera ny nataon’ny Fahitalavitra breziliana malaza indrindra ka nanemorana ny takalon’aina roa saika havotsotry ny mpiady anaty akata Kolombiana. “Voalohany dia ny nanakilasiany ny Farc ho miaramilan’ny rongony (narcoguerrilheiros). Voateny in’enina io. Avy eo ny fotokevitra lehibe navoitrany fa ny mpanelanelana tamin’ity raharaha ity dia … Uribe? Chavez? Iza moa fa tsy i Bush e!”