- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila : Ny fitatitry ny fampahalalam-baovao ny vehivavy « mainty hoditra »

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Media sy Fanoratan-gazety

Denise Arcoverde ao amin'ny blaogy sindromedeestocolmo dia miresaka momba ny fomba fitatitra ny vehivavy « mainty hoditra» [1] arak'ireo lahatsary mandeha amin'ny fahita-lavitra fijerim-bahoaka [ohatra “Marimar”], izay azo itarafana ny toe-tsain'ny ankamaroan'ny mponina any Brezila, araka ny fiheviny :

Se quase toda mulher de meia idade, no Brasil, já é descartada dos meios de comunicação, imagine as negras, são completamente invisíveis. Enquanto elas são over-sexualizadas na juventude, depois de uma certa idade, são tratadas como seres assexuais e desaparecem das novelas e filmes. Até voltar, como velhas sábias ou empregadas de confiança.

« Saika lavitra ny fampahalalam-baovao avokoa rehefa mety ho vehivavy salasalan-taona any Brezila, ireo « mainty hoditra » moa dia tena nanjavona tanteraka. [Mahagaga fa raha] mavitrika amin'ny firaisana ara-nofo ity ampahany amin'ny fiaraha-monina ity mandritra ny fahatanorany, nony afaka taona vitsivitsy dia heverina ho toy ny olona « tsy amina fitaovam-pananahana » izy ireo ka manjavona tanteraka amin'ireo lahatsary sy sarimihetsika. Mandra-piveriny indray ho toy ny antibavy hendry na koa mpanampy/mpiasa an-trano mahatoky. »