- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bangladesh : Ezaka fanampiana noho ny rivodoza Sidr

Sokajy: Bangladesh, Hafanàm-po nomerika, Sarimihetsika, Tanora, Tontolo_iainana, Voina, Vonjy Voina

uncultured
Nandrava an’i Bengladesh ny rivodoza Sidr ny tapaky ny volana Novembra [1] teo, ary na dia nihena be aza ny firesahan’ny fampahalalam-baovao dia mbola mitohy hatrany [2] ny ezaka fanampiana ny traboina [3]. Nandefa lahatsary maromaro tamin’izay niainany avy any Dhaka, Bangladesh [4] ho fandraisany anjara hampitsaharana ny fahantrana.

Bangladesh moa no firenena fahafito be mponina indrindra manerantany, ary ny mponina ao aminy dia mandray vola latsaky ny $2 USD isan’andro ny ankamaroany [5]. Asehon’i Shawn ao amin’ny Uncultured Project [6] izany toejavatra izany sy ny lohahevitra hafa mikasika an’i Bangladesh.

Ao amin’ity Uncultured Project video (lahatsarin’ny tetikasan’ny tsy mahalala fomba) ity mitondra ny lohateny hoe, Voina nateraky ny rivodoza Sidr – Fanampiana ankizy miaraka amin’ny Save the Children [7] no nandraiketany ny sarin’ny toerana tradoza sy ny fialofana anangonana ankizy anjatony, Kamboty fanindroany ny sasany amin’izy ireo. Nividy bodofotsyavy amin’ny volany manokana i Shawn ary nanome izany ho an’ireo kamboty izay noraisin’ny Save the Children [8] an-tanana vonjimaika ny fikarakarana sy ny fampialofana azy.

Avy amin’ny Al Jazeera teny anglisy [9] ny ankamaroan’ny lahatsary hafa mitantara ny fiantraikan’ny rivodoza Sidr toy ny fiainan’ny mpanarato taorian’ny tafiotra mahery: Tsy afa-mihaza an-drano (manjono, manarato) noho ny tsy fahampian’ny lakana na harato, sady tsy manam-bola hanamboarana ny simba na hividianana satria tsy afa-nikarama ry zareo. Ny sary hafa indray dia avy amin’ny lahatsarin’i ArKoDiP [10] ahitana ny fiangavian’ny olona handefa fanampiana any Bangladesh hahafahan’ireo olona ireo mihary indray.

Mbola misy sary hafa ao amin'ny lahatsoratra nadika (teny anglisy)