- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

St Vincent les Grenadines: Mozika meloka

Sokajy: Karaiba, St. Vincent & the Grenadines, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mozika, Tanora

“ Noho ny fisian’ny famonoana olona 36 voaisa tamin’ny herintaona dia hita fa ny zavatra tadiavinay farany indrindra (izany hoe ny zavatra halanay) dia mpihira manindrahindra ny fiainan-jiolahy”

Izany no lazain’i Abeni [1] momba ny “Asan’ny mozika mandrisika ny maivan-doha” rehefa naheno ny vaovaon’ny fandraràna mpihira iray tsy hihira any St Vincent izy.