- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kenya : Fitaovana ahafahana mametraka tatitra mikasika ireo herisetra

Sokajy: Kenyà, Ady & Fifandirana, Teknolojia

Ny blaogy White African dia mitantara mikasika ny fitaovana vaovao ahafahana mametraka tatitra mikasika ireo herisetra [1] nitranga tany Kenya :

Ushahidi.com is a tool for people who witness acts of violence in Kenya in these post-election times. You can report the incident that you have seen, and it will appear on a map-based view for others to see.

« [Amin'izao hotakotaka] taorian'ny fifidianana any Kenya izao, ny vohikala Ushahidi.com dia fitaovana hoan'ireo vavolombelona izay nanatri-maso herisetra. Afaka mametraka tatitra mikasika ireo voina izay natrehinao ianao, dia haharihary amina saritany izany ahafahan'ny hafa miara-mahita ireo toerana ireo. »