Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

05 Janoary 2008

Tantara tamin'ny 05 Janoary 2008

Global Voices : Tamberin’ny 2007 sy drafitra lehibe ho an’ny taona 2008

Tsy hisy nahavinavina fa ny Chinese ant farmers(tantsaha Shinoa taloha?) no tantara be mpamaky indrindra tamin’ny taona 2007 iny. Ireo tantara be mpamaky amin’ity vohikala ity dia ireo mpamaham-bolongana ao an-toerana izay lasa loharana sarobidy ho an’ny fantsom-baovao iraisam-pirenena ( sy mpitolona mavitriky ny demokrasia), tahaka ny fanoherana tany Myanmar,...

Mozambique: Asehoy ny fisiantsika aza fady

Carlos Serra [pt], izay mpamahana ny Diário de um sociólogo blog ary nandrombaka ny fandresena tamin'ny teny Portigey tamin'ny the 2007 BOBs (na ny Bolongana tsara indrindra), no tsy faly raha nanoritsoritra no momba ny bolongana mpiteny portigey ny haino amna-jery ka i Portugal sy i Brezila ihany no voatonona. “Averiko...

Angola : Ny faniriako ho amin'ny taona 2008

Mbola mieritreritra izay firariantsoany ho an'i Angola amin'ny taona 2008 i ELCAlmeida [pt]. Fantany tsara kosa izay tsy tiany hitranga any: What I do not want, once and for all, for Angola is what is happening in Kenya. Those who do not know to welcome the popular will, whatever it...

Azerbaijan: Izay Benazir Bhutto ve?

Manahy fampitandremana tamin'ny famonoana an'i Benazir Bhutto ao Pakistan i Marilisa Lorusso's blog . Ao Azerbaijan, ohatra, noho ny fikisahana tsikelikely ho amin'ny firoboroboan'ny fivavahana silamo mahery fihetsika dia zara raha nisy ny adihevitra ny amin'izay mety ho tompon'andraikitra hafa tamin'ny famonoana iny tany an-toerana.  Onnik Krikorian

Cap vert: Ny ho avy politika

Djoyamado [pt] no maminavina ny ho avy politika Kapiverdiana, anisan'izany ohatra: “Ny tsy hahalalàna na tsy hahaizan'ny mpianatra ambaratonga fototra sy faharoa fototra ny manonona ny anaran'ny Praiministra”. Eo amin'ny lahatsoratra mialoha izany kosa dia heveriny fa tsy ho matroka tahaka izany kosa ny ho avin'ny mozika eo amin'ny firenena. Paula...

Nagorno Karabakh: Fampitandremana farany

Nitroatra i Blogian raha nandre ny ny tenin'ny Filoha Azerbaijaney, Ilham Aliyev, nampitandrina farany ny foko Armenians miaina ao amin'ny faritra nitono-tena ho Republikan'ny Nagorno Karabakh — hitolo-batana amin'ny fitondrana Azerbaijaney na miala ny firenena. Onnik Krikorian

Armenia: Mahatoky

Shooosh ao amin'ny Life in Armenia no gaga fa raha very tao Yerevan ny valiziny dia nisy nahita ka namerina ny entana soa amantsara.  Na dia malaza amin'izay any ampielezana aza fa misy mangalatra hatrany ny entan'izy ireo rehefa mitsidika any an-tanindrazana izy ireo, dia nomarihiny fa misy olona tsara sy mahatoky...

Japana: Ny Bolongana 50 malaza indrindra

Serkan ao amin'ny Tokyotronic no nandrakitra an-tsoratra (ho amin'ny teny anglisy) ny lisitry ny bolongana 50 malaza indrindra any Japana (raha itokisana ny Technorati Japoney) . Araka ny nanaovany azy dia ny isan'ny rohy mankany amin'ny bolongana no masontsivana nifidianana azy ireo. Ohatra: Ny Gigazine (ny malaza indrindra) dia misy bolongana hafa...

Georgia: Gina alohan'ny tafiotra?

Tantarain'i TOL Georgia ary fa tony ny firenena Amin'izao andro mialoha ny fifidianana izao. Na izany aza dia manontany tena ihany ny mpamaham-bolongana hoe malalaka tokoa ve ny fifidianana raha itodihana ny zava-nitranga nandritra ny fotoana mialoha ny vanim-potoanan'ny fifidianana ary raha vakiana  ity soratra hafa ity ? Onnik Krikorian