- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ezipta: Nolavina ny fitoriana hisakana vohikala

Sokajy: Ejipta, Fahalalahàna miteny, Lalàna

Resy tao amin'ny fitsarana ny Mpitsara Abdel Fattah Mourad, izay niangavy ny hanakanana (mis au ban) bolongana sy vohikala [1] toriany ho manala baraka ny firenena ary manohintohina ny tombotsoan'i Ezipta. Tamin'ny 27 Desambra 2007, no navoakan'ny fitsarana amin'ny ady amin'ny fanjakana ny didim-pitsarana mandà ny fitoriana [2] ary nanohanan'ny fitsarana ny fahalalaham-pitenenana aty amin'ny aterineto.

Sami Ben Gharbia [3]