Resy tao amin'ny fitsarana ny Mpitsara Abdel Fattah Mourad, izay niangavy ny hanakanana (mis au ban) bolongana sy vohikala toriany ho manala baraka ny firenena ary manohintohina ny tombotsoan'i Ezipta. Tamin'ny 27 Desambra 2007, no navoakan'ny fitsarana amin'ny ady amin'ny fanjakana ny didim-pitsarana mandà ny fitoriana ary nanohanan'ny fitsarana ny fahalalaham-pitenenana aty amin'ny aterineto.