- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hong Kong: ny nampisy adihevitra indrindra: OAT

Sokajy: Hong Kong (Shina), Fahalalahàna miteny, Lalàna

Raha inoana izay nosoratan'i Ben Ng, izay mazoto indrindra amin'ny famahanam-bolongana ao Hong Kong, dia ny fametrahan'ny Tribonaly no lahatsoratra mampiseho vetaveta no nampisy resaka indrindra tamin'ny tontolom-bolongana tao Hong Kong [1] tamin'ny taona 2007 (resiny noho izany ny fifidianana filohan'ny mpanatanteraka vao haingana teo). Ny tamin'ny herintaona (2006) moa dia ny Uncle Bus no nampisy esaka indrindra. Raha mahatadidy ihany koa ny mpamaky eto dia efa nisy nosoratana teto ny momba ny baiboly vetaveta… angamba mifandraika amin'izay indrindra no nampafana ity resaka OAT ity (Obscene Article Tribunal).

Oiwan Lam [2]