Enimbolana voalohan’ny Rising Voices

Tahaka antsika efa vonona ny hiditra ao amin’ny taona 2008, dia hankalaza ny fahaenimbolana voalohany nisiany ny Rising Voices. Isaorana indrindra ny fahalalaha-tanan’ny Fanorenana John S. sy James L. Knight nahafahan’ny Rising Voices nanolotra fanampiana madinika ireo tetikasa fampiroboroboana ny fantsom-panomezam-baovaon’olom-pirenena dimy miorina any Bangladesh, India, Sierra Leone, Bolivia, ary Colombia. Nahasarika mpanao gazetin’olom-pirenena nihoatra ny 100 avy amina fiaraha-monina tsy nahalala izay fisian’ny resaka ankapobeny manerantany mihitsy ireo tetikasa ireo raha atambatra.

Tsara ihany koa ny mametraka ireo mpamaham-bolongana vaovao ireo tsy ho loharanom-baovao madinidinika avy aty ivelany ihany, fa mba hiheverana azy ireo ho namana sy mpifanolo-bodi-rindrina amin’ity izao tontolo izao mihakely ity. Fantaro ry Carmen, mpitia tononkalo sy literatiora, avy any amin’ny vohitry ny sarangan’ny mpiasa manodidina an’i La Loma any Medellín, Kolombia. Vakio ny tantaran’i Suso – mpanangon-javatra azo ahodina any La Loma (ihany). Andeha mihaona amin’i Cristina Quisbert izay mamaham-bolongana mila ho isan’andro any amin’ny tanàna voaorina amin’ny toerana avo indrindra manerantany ao El Alto, Bolivia.

Ny any Dhaka any Bengladesh indray no misy ny Nari Jibon center izay mitari-dalana ireo tanora vavy toa an’i Sifat Binte Qaiyum sy i Ayesha Parveen hanangona ny tantaran’ny faritra (fiaraha-monina) sy ny tsirairay avy amin’ny alalan’ny aterineto.

Eo atsimo andrefan’i Bengladesh eo no ahitantsika ny Neighbourhood Diaries (Isan’andron’ny manodidina) tetikasa maka toerana ao Kolkata, India. Na dia samy efa manana ny bolongana fahanany avy aza ny mpandray anjara folo ao amin’ny neighbourhood of Bow Bazaar , dia mbola mampahafantatra azy ireo tsirairay avy ihany ny lehiben’ny tetikasa Sahar Romani. Ohatra horaisintsika i Surojit Mitra 16 taona:

Surojit is a student at Bow Bazaar Highschool. During his free time he loves to coreograph dances and listen to music. He is known for his laughter and his coreography in Sanlaap programmes. One thing that no one knows about him is that, once he failed an exam.

Mpianatra ao amin’ny Sekoly ambonin’ny Bow Bazaar i Surojit. Tiany ny dihinkarana(?) sy mihaino mozika rehefa manana fotoa-malalaka izy. Fantatra amin’ny fihomehiny sy ny fanarahiny ny dihinkarana ao Sanlaap. Ny zavatra iray tsy fantatry ny be sy ny maromomba azy dia indray ihany izy tsy afa-panadinana.

Tamin’ny lahatsoratra farany navoakany ny ahitantsika fa ny tian’i Surojit ho famantarana an’i Bow Bazaar dia ny Punjabi Hotel. Izao no nosoratany:

As soon as you reach the Punjabi Hotel, what you hear first is the sound of conversations and the din of people who are going in. A light wind brings the smell of various food items to my nose. You can see shoe shops, the vegetables in the market being bought and sold. The touch of food items from the hotel and the fuchka. It is a very old hotel. Earlier it was renowned, everyone knew of it. Besides, the proprietor of the place was a friend of my mother’s.

Arakaraky ny hanatonanao ny Panjabi Hotel no handrenesanao ny tabataban’ny olona mizotra mankany. Misy tsio-drivotra malefaka ihany koa mitondra ny hanitry ny sakafo isankarazany avy ao. Hitanao ireo mpivarotra kiraro sy ireo legioma isankarazany voavidy sy voavarotra. Ny nahandro ahafantarana ny trano fandraisam-bahiny sy ny fuchka. Efa niorina hatry ny ela io trano fandraisam-bahiny io. Vao nohavaozina vao haingana izy, na iza na iza mahalala izany avokoa. Ankoatra izay moa dia naman’ny reniko ihany koa ny tompon’io toerana io.

Ary farany dia hitodika any amin’ny Think Build Change Salone (mieritreritra hanangana, Hanova ny Salone?) ao Freetown, Sierra Leone isika. Sierra Leone no firenena tratra aoriana indrindra manerantany taorian’ny ady an-trano nanjaka tao ampolony taona, Misy vondrona tanora toa an’i Noah Dauda sy i Daniella Wilson ary manome vaovao mandrakariva amin’ny fanorenana ny fireneny. Hamarino anie ny saripikan’i Noah Dauda amin’ny famatsiana madinika sy ny haizatran’i Emmanuel Joseph mamokatra loharanombaovao fanadihadiana any amin’ny faritra atsinanan’ny faritanin’i Kenema, Kailahun ary Kono.

Mijery manatrika (handroso)
Araka izao hitanareo izao dia nahavita dingana mahagaga tokoa ny tetikasa tsirairay, tao anatin’ny enim-bolana monja, nahatarika vondrona mpamaham-bolongana vaovao tamin’ny fiaraha-monina vitsy mpisolo tena (amin’ny aterineto). Niroborobo tanatin’ny vondrona tsirairay ihany koa ny toe-tsaina vonona hifanampy sy hiara-miaina.

(Efa nampahafantarina vao teo moa ny nahazo fankaherezana dimy hafa indray). Hanampy ny vondron’ny mpampiofana amperinasa ankehitriny izy ireo ka hahomby sy hahery amin’izay ataony anie. Hifantoka bebe kokoa amin’ny fampirisihana hifaneraseran’ireo tetikasa folo ireo izahay mandritra ny volana vitsivitsy ho avy io ary havoitranay ihany koa ny fifampizarana iraisan’izy ireo.

Mino izahay fa hanaradia hatrany ianareo.

David Sasaki

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.