Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

02 Janoary 2008

Tantara tamin'ny 02 Janoary 2008

Sary 29 mampiseho ny toe-draharaha ao Kenya

Sary mampihoron-koditra mampiseho ny toe-draharaha mafana ao Kenya avy amin'ny mpamaham-bolongana Kenyana Joseph Karoki. Ndesanjo Macha

Kenya: Sary avy eny ambony mampiseho ny gidragidra

Namoaka ny sarin'ny gidragidra i Joseph Karoki ao Kenya, korontana tohin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Ndesanjo Macha

Hong Kong: ny nampisy adihevitra indrindra: OAT

Raha inoana izay nosoratan'i Ben Ng, izay mazoto indrindra amin'ny famahanam-bolongana ao Hong Kong, dia ny fametrahan'ny Tribonaly no lahatsoratra mampiseho vetaveta no nampisy resaka indrindra tamin'ny tontolom-bolongana tao Hong Kong tamin'ny taona 2007 (resiny noho izany ny fifidianana filohan'ny mpanatanteraka vao haingana teo). Ny tamin'ny herintaona (2006) moa dia ny Uncle Bus...

Shina: Tsy ampandraisana anjara amin'ny fahazoan-doka ny filma erotika

Tsy eken'ny sampan-draharaha Shinoa miandraikitra ny Radio, ny Filma (lahatsary)  ary ny Televiziona (SARFT) hampidiriana hahazoana loka hozaraina any Shina izay nandray anjara tamin'ny fanantontosana lahatsary somary maneho firaisana ara-nofo na dia tsy hita mivantana aza izany, tafiditra amin'izany na ny mpilalao fototra na ny mpanatontosa (tsy hita anaty lahatsary aza)....

Shina: Topi-maso amin'ny Net

Nandika lahatsoratra avy amin'ny Southern Weekend milaza ny fahombiazan'izy ireo  noho ny fahazoambaovao amin'ny alalan'ny aterineto i ESWN. Oiwan Lam

Armenia: Ampiandrasana ny taombaovao

The Armenian Patchwork no mamoaka sary vitsivitsy maneho ny endriky ny Taona Vaovao andro iray mialoha ny 2008. Onnik Krikorian

Georgia: Miarahaba nahatratra ny taona

Ny MFR Photoblog no maneho an-tsary ny voalohan'ny taona ao an-drenivohitry Georgia. Nilaza ny mpamaham-bolongana fa maherin'ny 15 000 ny Georgiana nankalaza ny fety teo amin'ny kianjan'ny Fahafahana ao Tbilisi. Onnik Krikorian

Enimbolana voalohan’ny Rising Voices

Tahaka antsika efa vonona ny hiditra ao amin’ny taona 2008, dia hankalaza ny fahaenimbolana voalohany nisiany ny Rising Voices. Isaorana indrindra ny fahalalaha-tanan’ny Fanorenana John S. sy James L. Knight nahafahan’ny Rising Voices nanolotra fanampiana madinika ireo tetikasa fampiroboroboana ny fantsom-panomezam-baovaon’olom-pirenena dimy miorina any Bangladesh, India, Sierra Leone, Bolivia, ary...