Tantara tamin'ny 31 Desambra 2007
Afghanistan: Ho raharaha ity ririnina ity
Taterin'i Nasim Fekrat ary fa nampiely hafatra tamin'ny vondro-tafika iraisam-pirenena mieli-patrana manerana an'i Afghanistan ny mpitari-tolona Taliban ny Molaha Omar fa tokony hivonona amin'ny fanafihan'ny Taliban ho maromaro kokoa mandritra ny ririnina ry zareo. [Ny any moa hatsiaka fa ny aty Dago indray orana no mamely foana e!] Adil Nurmakov
Americas: Tamberina nandritra ny taona
Plan Colombia and Beyond no manao tamberina mitsinjara isam-bolana tamin'ny zava-dehibe nitranga tao Kolombia sy Amerika Latina nanditra ny taona 2007. Eduardo Avila
Arahabaina ireo Rising Voices vaovao
Naharenesantsika feo vaovao sy mahery avy amin’ny fiaraha-monina tsy dia hita matetika amin’ny aterineto ny nisokafan’ny vondron’ny fantsom-panomezam-baovao avy amin’ny olom-pirenena na ny tetikasa midina an-tsehatra Rising Voices. Niantso tolotra vaovao hampiroboroboana ity fantsom-panomezam-baovao ity indray izahay tamin’ny volana lasa, mba hisafidianana dimy hafa hanampy ireo izay efa amperinasa any...