- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Serbia : “Novokarina ho meloka”

Sokajy: Bosnia Herzegovina, Kroasia, Makedonia, Montenegro, Slovenia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Politika, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Ny teny moa eto dia milaza ny fanamelohantena ananan'ny Serba. “Amin'ny alalan'ny fanariana io fanamelohantena io ihany sy amin'ny alalan'ny fahafantarana izay namolavola io fampanamelohan-tena io sy ny tanjona nokendreny no lalampiaingan'ny Serba ho amin'ny fahafahana.” hoy Gray Falcon nanoratra [1]. Ireo vahoaka hafa ao Balkan manko mirehareha avokoa sady mampideradera ny mari-pamantarana ny mahaizy azy ankoatra ny Serba izay manafina izany fatratra amin'ny vahiny ao aminy kosa.