Arabia Saodita: Avoahy Fouad – Vaovao fanampiny

FreeFouad

Toa izao ny taratasy nosoratan'i Fouad Alfarhan, talohan'ny nisamborana azy. Izy dia ilay mpitoraka blaogy malaza avy any Arabia Saodita, voasambotra to Jeddah tamin'ny 10 desambra 2007 lasa teo, noho ny fahasahiany sy ny fanehoany fahalalahana niteny tao amin'ny blaoginy malaza iray alfarhan.org :

I was told that there is an official order from a high-ranking official in the Ministry of the Interior to investigate me. They will pick me up anytime in the next 2 weeks.

The issue that caused all of this is because I wrote about the political prisoners here in Saudi Arabia and they think I’m running a online campaign promoting their issue. All what I did is wrote some pieces and put side banners and asked other bloggers to do the same.
he asked me to comply with him and sign an apology. I’m not sure if I’m ready to do that. An apology for what? Apologizing because I said the government is liar when they accused those guys to be supporting terrorism?

To expect the worst which is to be jailed for 3 days till we write good feedback about you and let u go

there may be no jial and only apologizing letter. But, if it’s more than three days, it should be out. I don’t want to be forgotten in jail.

Nolazaina ahy fa misy baiko avy any amin'ny tompon'andraikitra ambony ao amin'ny Ministeran'ny Atitany mba hanadihady ahy. Ho tonga haka ahy izy ireo anatin'ny tapabolana.

Ny anton'izany rehetra izany dia noho ny nanoratako momba ny gadra politika aty Arabia Saodita ka heverin'izy ireo fa manohana sy manaparitaka ny momba azy ireo amin'ny internet aho. Ny tena nataoko anefa dia nanoratra lahatsoratra vitsivitsy ary nametraka sary kely teo amin'ny blaogiko sy niantso ny mpanoratra hafa hanao toa izany koa. Nasainy nifanaraka taminy aho ary hanoratra fialan-tsiny. Tsy mieritreritra ny hanao izany anefa aho. Hiala tsiny amin'ny inona? Hiala tsiny ve satria nilaza ny governemanta ho mpandainga tamin'ny nanamelohana azy ireo ho mpanohana ny terorista?

Araka ny nolazain'ny vadiny izay niresaka taminay dia mifandray mivantana amin'ny zavatra ataony ao amin'ny blaoginy ny nisamborana azy. Mety higadra iray volana izy mandritra ny famotorana azy. Aorian'izay dia ho afaka hamangy azy ny fianakaviany ary hahalala bebe kokoa ny momba azy sy ny sazy mety hanjo azy. Toa voatazona, tsy misy sazy na fanamelohana, ao amin'ny mpiandraikitra ny filaminana (al-Mabahith al-‘Amma) ao amin'ny Ministeran'ny Atitany, Jeddah, i Fouad amin'izao fotoana izao. Nosamborina tao amin'ny biraony izy ary avy eo nentina tany an-tranony, izay nakan'ny polisy ny ordiniatera findainy.

Tsy vao voalohany izao no nahita olana teo amin'ny mpitondra Saodita i Fouad. Tamin'ny  herintaona izy dia efa nohadihadian'ny polisy manao sivily ary noterena mba hanidy ny blaoginy.  Rehefa niato kely volana vitsivitsy i Fouad dia nanapakevitra hanohy hi-blaogy indray.

Maro ireo mpitoraka blaogy sy ireo namana mafana fo no manao antso avo hanafahana an'i Fouad amin'ilay hetsika ao amin'ny freefouad.com. Hatramin'izao dia efa mahatratra 295 ny mpikambana mivondrona ao amin'ny mpanohana izay noforonina ao amin'ny Facebook.

Araka ny filazana izay nataony ny 24 desambra 2007, dia manameloka ny fitazonana tsy ara-dalàna an'i Fouad Alfarhan ny Tambazotran'ny Arabo momba ny Zon'Olombelona (The Arabic Network for Human Rights Information) ary manainga ny mpitondra Saodianina mba hilaza ny antony marina nisamborana azy.  “Rehefa misambotra tanora manoratra mazava sy manohitra ny terorista ary mitady fanovana toa izao ny mpitondra fanjakana Saodiana, dia fanehoana matotra izany hoe efa lasa lavitra ary manenika an'i Arabia Saodita mihitsy ireo fanatika sy ireo manohitra ny fahafahana sy fahalalahana eo amin'ny fahazoa-miteny ary ny fanavaozana.” hoy ny tale-n'ny Tambazotran'ny Arabo momba ny Zon'Olombelona, Atoa. Gamal. Nosoratan'i Sami Ben Gharbia

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.