- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ezypta: Rama Yade

Sokajy: Ejipta, Frantsa, Senegal, Foko sy Fiaviana, Politika, Vonjy Voina

rama-yade.jpg [1] 

Tsy amin'ny maha Rama Yade [2] – sekreteram-panjakana frantsay misahana ny raharaham-bahiny sy ny zon'olombelona – azy ka amin'ny fijery politika no itondran'ny mpamaham-bolongana Ezyptiana Eastern Bird [3] ity lahatsoratra manaraka ity [4] (Ar). Raha ny marina dia lohahevitra hafa mihitsy no nanaitra ny aingam-panahiny ka nahatonga azy hanoratra io lahatsoratra eo ambany io.

Toy izao ny sorany:

بالصدفة وخلال تصفحي لعدد من المواقع على الشبكة ، عثرت على هذه الصورة لوزيرة حقوق الإنسان في الحكومة الفرنسية راما ياد
وبعيدا عن أية إعتبارت سياسية في مقدمتها رفضي لفرنسا ساركوزي وكل ما يأتي منها ، إلا أنني أخذت أتأمل في ملامح هذه الوزيرة الجميلة بحق
وأدركت بعد فترة حقيقة تغيب عنا كثير
وهي أن الجمال لا شكل له ولا عرق ولا لون
وأننا وللأسف الشديد حصرنا مفهوم الجمال في مفهوم عنصري يختذل هذه الكلمة في الشعر الأشقر والعيون الزرقاء أو الخضراء
لعلها عقدة الخواجة التي لازالت تعيش داخلنا او لعله نظرتنا الدونية لكل ما هو أسمر
لكن المؤكد أن راما ياد لا يكمن جمالها في ملامحها فقط وإنما في قدرتها كسيدة سمراء على تخطي كافة العقبات التي تضعها العنصرية (وما أدراك ما العنصرية في بلد كفرنسا)
والوصول إلى منصب كهذا
تحياتي لك أيتها الوزيرة الجميلة ولكل الجميلات مثلك في هذا العالم

Teto ampiseraserana aho no nahita kisendrasendra ity sarin'ny minisitra frantsay misahana ny raharaham-bahiny sy ny zon'olombelona ity, dia Rtoa Rama Yade izany.
Tsy hijery ny lafiny politika aho, indrindra ny fanoherako ny politikan'ny Lafrantsan'i Sarkozy [5] na zavatra mifandraindraika amin'izany, fa hifantoka manokana amin'ny hatsara-tarehin'ity minisitra  vehivavy ity.
Teo no nahatsapako ny fahamarinan'ny zavatra tsy tandrintsika matetika.
Tsy mifidy tava, na foko na loko ny hatsaran-tarehy ny zareo a!
Indrisy moa fa ferantsika amin'ny fijery manavakavaka matetika izany hoe hatsaran-tarehy izany ka tondroina fa ny manana volo blaondy sy manga na maitso maso ihany no izy.
Ny mety ho anton'izany angamba dia noho ny firaikiraikentsika hatrany amin'izay avy any ami'ny tany tandrefana, ary ny fiheverana fa ambany avokoa izay rehetra ho avy amin'ny mainty hoditra.
Saingy tsy noho ny fahita azy ivelany ihany no mahameva andRama Yade fa noho ny fihoarany ny sakana rehetra noho ny fanavakavahana amin'ny mahavehivavy mainty hoditra azy ka nahatonga azy ho amin'izao toerana misy azy izao.
Miarahaba anao sy mirary soa anao ry minisitra tsara tarehy sy izay tsara tarehy hafa rehetra tahaka anao manerantany.

Tarek Amr [6]