Tantara Sovietika : Ny hetsiky ny mpianatra Afrikana tamin'ny taona 1963

Ny blaogy De Rebus Antiquis Et Novis izay miblaogy momba ny vaovao sy tantara mikasika an'i Rosia, dia mampahatsiahy mikasika ny hetsika vitsy mpahalala izay nataon'ny mpianatra Afrikana tamin'ny taona 1963 teo amin'ny kianja Mena anivon'ny tanànan'i Maosko [Red Square | Place Rouge], mpianatra 500 no indray niray hina ho fanoherana ny famonoana mpianatra Ghaniana iray vokatry ny fanavakahavam-bolok'hoditra :

« At present  there are  only about 1400 African students in the USSR, and  since  500 took part in the demonstration (New York Times, 19 December 1963) it seems that more than a third of  all the  Africans now at  Soviet universities believe first that Mr. Asare-Addo was murdered and  secondly that the motive was at  least partly racial prejudice, Since some of  the demonstrators came from  points as remote  as Tashkent and Odessa it is clear that they were protesting against  discrimination in  general  rather than  out of  sympathy for  the dead  man in particular,  whom they almost  certainly did not know. »

« Ankehitriny dia zara raha misy 1'400 ireo mpianatra Afrikana any URSS, anefa ny 500 tamin'izy ireo dia nandray anjara tamin'ny hetsika (gazety New York Times, 19 Desambra 1963), izany hoe ampahatelon'ireo mpianatra Afrikana rehetra any any amin'ny Sovietika no mihevitra fa, voalohany Ingahy Asare-Addo dia maty nohon'ny famonoan'ny sasany ary faharoan'izany ny antom-pamonoana dia nohon'ny fanavakavaham-bolok'hoditra, Ary satria ny mpikomy sasany dia nirohotra avy tany amin'ny toerana lavitra tahaky Tachkent na Odessa, dia mazava ho azy fa tena ny fanoherana ny fanavakaham-bolok'hoditra mihitsy no notoherin-dry zareo fa tsy ny fanohanana ny vonoan'olona iray monja, satria mazava ho azy fa tsy fantatry ankamaroan'ny mpikomy akory aza (ilay Ghaniana). »

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.