Fifidianana Madagasikara : Fampitandremana ho an’ny fitondrana ?

2108391792_688f7d16111.jpg
(saripikan'i Harinjaka)

Tamin’ny valim-pifidianana monisipaly notontosaina tamin’ny herinandro lasa teo ho an’Antananarivo, renivohitry Madagasikara, resin’ny kandida mahaleo tena Andry (Nirina) Rajoelina ny avy amin’ny antokon’ny filoham-pirenena Hery Rafalimanana, amin’izao fivadihan-javatra izao dia heverin’ny mpamaham-bolongana maro fa fampitandremana ho an’ny filoha ankehitriny io vokatra io.

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatra politika Malagasy ahafahana maka vahana ho amina sehatra avoavo kokoa ny fahazoana ny andraikitry ny Ben’ny tanànan’Antananarivo. Indrindra moa fa efa Ben’ny tanànan’Antananarivo ihany koa ny filoha mitondra ankehitriny.

Andry Rajoelina, izay fantatra kokoa amin’ny anaram-bositra hoe TGV, dia mpandraharaha tanora nahomby teo amin’ny sehatry ny fampitam-baovao, ny serasera ary indrindra indrindra ny dokambarotra manokana.

Navoitran’i Hery [Mg] (izy ihany no namoaka azy) mpamaham-bolongana Malagasy ny asa nampanantenaina hovitainy mandritra ny fotoam-piasany :

“Nifantoka be tamin'ny tanora ny fampielezan-keviny na dia hoe eo koa aza ny zavatra hafa izay nampanantenainy […] Fanorenana toerana azo ilalaovana sy ivelaran'ny sain'ny ankizy, Famitomboana ny toerana hanaovan'ny tanora fanatanjahan-tena sy hianlana voly, Fanomezana “COURS” maimaim-poana ho an'ny mpianatra rehetra manala fanadinana, na CEPE, na BEPC, na BACCALAUREAT izany, Fanafaingana ny fahazoana taratasy isan-karazany”

Notenenin’i Harinjaka antsika hoe nahoana ity tanora iray no nifidy araka izay tao an-tsainy:

“J’ai voté pour TGV dit-elle parce qu’il est jeune. Nous avons besoin d’enseigner une leçon au régime actuelle et de montrer que nous ne sommes pas aveuglément derrière elle”

Nifidy TGV aho satria tanora izy. Aleo koa omena lesona kely ny fitondrana fa tsy voatery hanohana azy an-jambany izahay (Mpandika teny : Antananarivo) ”.

Tsy ny rehetra tsy akory no resy lahatra tamin-dRajoelina. Tahaka ny miahiahy ary maniry hahita ny fandaharan’asa azo tsapain-tanana i Thenonrequired [Fr]:

“Troupe de hira gasy, rangée de mannequins, buffet, 500 invités, entrée au milieu des photographes… Pfff… Ouaip… Pourquoi pas…? Mais à part cela? Et bien à part cela rien! Pas de programme précis mais des formules creuses :
# Je n’ai pas peur.”
# “Il est impensable qu’à notre époque on vive encore dans l’arbitraire et
l’abus de pouvoir”
# “Tout le monde a le droit de gagner son pain”
# “On doit aider la jeunesse à réaliser ses ambitions”

Mpihira gasy, mpampidera bika, hanimpitoloha, fanasana olona 500, fidirana ny sehatra eny anivon’ny mpaka sary, Maninona tokoa moa ? Fa ankoatra izay dia inona koa ? tsy misy na inona na inona ! Tsy misy programa amin’ny antsipiriany mazava fa ambangovangon-teny fotsiny:
“# Tsy matahotra aho,
# Tena tsy azo eritreretina hoe mbola miaina amin’ny fanavakavahana sy ny fihoaram-pahefana hatrany amin’izao andro iainantsika izao.
# Mananjo hahazo ny anjara masoandrony (asany) avokoa ny tsirairay.
# Tsy maintsy ampiana ny tanora hanatontosany ny nofinofiny …”

Aboraky Mialy koa fa misy fotoana tsy mamela mivalo Antananarivo:

“Fidèle, à ses moments et à sa manière, mais impitoyablement sévère quand elle l’a décidé. Ces derniers mois ont révélé une grogne en sourdine, il fallait la voir venir : Antananarivo était en froid avec la « Tim-mania”

“Mahatoky, araka izay fotoana sy fomba tiany, nefa hentitra rehefa manapa-kevitra ho toy izay. Efa nisy ihany ny ngonongonona nandritra ny volana vitsivitsy izay, tsy maintsy hivandravandra ihany izany : Efa nangatsiaka noho ny hadalan’ny TIM i Antananarivo ” .

Samy naneho ny anton’ny naharesy ny antoko TIM na i Jentilisa na i Barijaona.

Barijaona mikaroka amin'ireo mpifidy vitsivitsy ny antony niovany safidy:

“Si on les chatouille un peu plus, ils évoquent surtout le verrouillage pas vraiment subtil du pays : mélange entre intérêts privés et publics favorisé par l'accession des Tiko & Magro boys aux postes étatiques, mainmise sur les échelons administratifs intermédiaires, embrigadement plus ou moins volontaire des fonctionnaires au TIM Education ou au TIM Santé, refus du débat. Par sa seule candidature, Andry TGV a réussi à devenir l'icône glamour des fautes de gouvernance du régime Ravalomanana”

Raha somary sokirina kokoa ry zareo dia atsingeriny ho valinteny ny fanidiana ny fahefana amin’ny alalan’ny fahazoana araka ny fomba rehetra ny fandresena: fifangaroan’ny tombotsoa manokana amin’ny tombotsoa iraisana amin’ny alalan’ny fametrahana ireo Tiko sy Magro boy (tsy mila adika intsony) amin’ny fahefam-panjakana, ampihimamba amin’ny ambaratongan-drafitra antenantenany, fanerena ankolaka na mivantana ny mpiasam-panjakana hiditra ho TIM fanabeazana na TIM fahasalamana ary ny fandavana tsy hiady hevitra. Nahomby tamin’ny fahadisoam-pitantanana nataon’ny fitondrana Ravalomanana i Andry TGV tamin’ny firotsahany samirery.

Jentilisa ihany koa dia nanampy hevitra hafa tamin’ny antony naharesy ny antokon’ny fitondrana:

“Efa be no nametraka tamin’ny mpanadihady fa tsy mba fanaon’Antananarivo loatra izany mifidy ny antoko eo amin’ny fitondrana izany ka mbola hifidy ny Ben’ny tanàna avy amin’io antoko io ihany[..]Mihevitena manko ny sasany fa rehefa ao anatin’ny antoko dia tsimatimanota, ary misy mpiaro hatrany na inona na inona ataony[..] Fahatelo manaraka izany indray dia ny safidy kandidà narotsaka. Tsy tao anatin’ny fanomanana ve fa mety ho olona manam-pahaizana manokana momba ny serasera no hifaninana aminy ka olona votsa vava no narotsaka?”

Lova Rakotomalala

2 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> jentilisa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.